






Nisehoana heloka bevava indray tany Niherenana Vatomandry satria vehivavy iray hivoaka ny trano haka ravim-bomanga no maty namoy ny ainy. Vata-mangatsiaka efa mihosin-dra no sady miboridana ny tapany ambany no hitan’ireo fianakaviany. “Tombanana ho niharan’ny fanolanana ilay ramatoa, ary tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana azy” hoy ny Zandarimaria ao Vatomandry.
Vehivavy noterena handehandeha miboridana manerana ny arabe mankany amin'ny polisy. Nalain'ireo “mpikatroka” sary izy ireo fa hoe mivaro-tena. Sary: Life.ru
Tsiambaratelo fantatry ny rehetra ny fitakian'ireo servisy ara-bola antserasera sasany amin'ireo vehivavy mpitrosa sary miboridana ho takalon'ny findramam-bola, na amin'ny fanitarana ny fe-potoana fandoavana ny trosa. Ankehitriny, manoloana ny fiporitsahan'ireo sary miboridana sy ny lahatsary antserasera misy ireo vehivavy mpitrosa – dia natao ny fanairana noho ny fivezivezen'ny tahiry miaty 10-gigabytes ao amin'ny aterineto Shinoa
Tsy mendrika fiantrana izany karazana tovovavy izany. Manome vola ary avy eo manome sary miboridana. Ho vehivavy mendrika ve izy ireo amin'ny ho avy?












